From Wikipedia, the free encyclopedia
I Mariyah al-Qibtiyya dia andevo egiptiana nalefan' i Al-Muqawqis ho fanomezana ho an' ny mpaminany Mohamady mba ho vaditsindranony ary avy amin' ny firaisan' izy ireo no nahaterahan' i Ibrahim. Atao hoe Maria Kôpta izy. Amin' ny teny arabo dia atao hoe مَارِيَّة ٱلْقِبْطِيَّة / Māriyyah al-Qībtīyyāh) ny anarany. Maty tamin'ny taona 637 izy. Ny anarany feno dia Mariyah bint Sham'un al-Qibtiyya.
Ny karazana loharanom-baovao nentim-paharazana dia tsy ahafaha-mahazo fitantarana vatambatra sy mamintina momba ny fiainany. Ohatra, arakakaraka ny loharanom-baovao dia vadin' i Mohamady izy na andevony ihany.
Raha fintinina: i Maria Kôpta, izay zanakavavin' i Sham'un, teraka tany Ejipta Ambony, dia vehivavy kôpta mbola tanora, nalefa niaraka tamin' i Sirin rahavaviny ho fanomezana ho an' i Mohamady izay nanao azy ho vadiny. Tena tia azy i Mohamady. Lasa vady fahatelo ambin' ny folo izy tamin' ny taona 628. Avy amin' ny firaisan' izy ireo dia teraka i Ibrahim, izay maty mbola kely.
Nanaitra ny fialonan' ny vehivavy hafa i Maria, voalaza fa nampanantena i Mohamady fa hiala aminy, izany fampanantenana izany anefa notsoahany tsy ela taorian' izay. Taorian' ny nahafatesan' i Mohamady dia nahazo fisotroan-dronono avy amin' I Abu Bakr sy i Umar izy mandra-pahafatiny tamin' ny taona 637.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.