Mpanitsy zitina
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny mpanitsy, na mpanitsy zitina dia olik'aratra mamadika ny zitina miherina ho zitina mikararana. Ny fiantsoana izany zavatra izany dia fanitsian-jitina (amin'ny teny anglisy : rectification). Ny fitaovana ilaina amin'izany dia roalahiny ary mpampita tapany vita silisiôma.
Ahitana mpanitsy avokoa ireo zavatra fampiasa mandavanandro toa ny radiô, ary ny solosaina.
Ny fitaovana mamadika zitina mikararana ho zitina miherina dia antsoina hoe mpamadika (amin'ny teny anglisy inverter).