![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/07/Moheli_island_map-general_view-fr.svg/langmg-640px-Moheli_island_map-general_view-fr.svg.png&w=640&q=50)
Mwali
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Mwali na Moheli dia nosy sy fanjakana mizaka tena ao amin' ny tamba-nosin' i Kômôro ao amin' ny Lakandrano Môzambika, sady mitambatra ao amin' ny Firaisan' i Kômôro. Izy no nosy farany kely sady be mpizaha tany indrindra ao amin' ireo nosy telo mitambatra ao amin' ny Firaisan' i Kômôro. I Fomboni no renivohiny. Misy mponina 52 360 izy tamin' ny taona 2015.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/6b/Fomboni-Ship.jpg/640px-Fomboni-Ship.jpg)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/07/Moheli_island_map-general_view-fr.svg/640px-Moheli_island_map-general_view-fr.svg.png)
Manana lavany mirefy 30 km sy sakany 12 km io nosy io. Izy no kely indindra amin' ireo nosy telon' i Kômôro sady mahasarika mpizaha tany indrindra. Mahatratra 860 m ny haambon' ny tandavan-tendrombohitra ao aminy. Manana alan' orana toa an' i Ngazidja i Mwali.
Ny ankabeazan' ny mponina ao dia manam-piaviana banto, arabo, maley, malagasy ary eorôpeana. Ny fivavahana silamo no arahin' ny mponina ao.