Mônôteisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny mônôteisma dia fivavahana amin' andriamanitra tokana na finoana ny maha tokana an' Andriamanitra. Ny pôliteisma, izay finoana andriamanitra maro, no tena mazava ny fifanoherany aminy. Telo ny fivavahana lehibe fantatra mazava fa mônôteista, dia ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo. Ny mônôteisma dia angamba nanomboka tany amin' ny taonjato faha-14 tal. J.K., niaraka amin' ny nanombohan' ny faraôna Amenôfisy IV nivavaka tamin' i Atôna, andriamanitra masoandro, izay ninoana fa fara tampony sady tokana. Ny zôrôastrisma dia fivavahana tany Persia izay azo lazaina koa ho mônôteisma. Ny fotoana voalohany fantatra mazava nisian' ny mônôteisma anefa dia tamin' ny fandraisan' ny Hebreo ny fivavahana amin' Andriamanitra, dia ilay andriamanitra tokana, indrindra tamin' ny fivoahan' izy ireo avy tao Ejipta.