Ny nôvatianisma na nôvatiônisma dia sekta kristiana tamin' ny fiandohan' ny kristianisma nanaraka ny fampianaran' ilay teôlôjiana atao hoe Nôvatiano (taona 200–258) izay nanohana fomba fijery hentitra tsy nety nandray intsony ny Kristiana vita batisa izay nandà ny finoany na nanao fombafomba fanaovana sorona ho an' ny andriamanitry ny Pagàna teo ambany faneren’ ny fanenjehan' ny emperora Dekio tamin’ ny taona 250. Nambaran' ny Fiangonan’ i Rôma fa mpanao fampianaran-diso ny Nôvatianista taorian’ ny taratasin’ i Kipriano avy any Kartago sy Ambrôsio nanohitra azy ireo. Nahatitra hatramin' ny taonjato faha-8 ny nôvatianisma. Tena nandray ny fiheveran' i Tertoliano ny teôlôjia nôvatiana, ka nampiasa mafy ny asa sorany.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.