From Wikipedia, the free encyclopedia
I Patmôsy na Patmo dia nosin' i Gresy ao amin' ny Ranomasina Egea ao amin' ny ilany avaratry ny tangoro-nosin' i Dôdekanesa (grika: Δωδεκάνησα / Dōdekánēsa). I Patmôsy dia hita ao akaikin' ny morontsiraka tiorka, ao atsimon' ny nosy Samôsy. Manana velarana 34 km2, ary misy mponina 2 400 eo ho eo tamin' ny taona 1991. Atao hoe Πάτμος / Patmos izy amin' ny teny grika.
Ity nosy kely karankaina ity dia miendrika tsinam-bolana sady manana nofon-tany volkanika. Ny voaloboka sy ny voatabia ary ny varimbazaha no tena fambolin' ny olona ao. Ny tanàna lehibe indrindra ao dia i Patmôsy ao amin' ny ilany atsimo atsinanan' ilay nosy.
Manerinerina ao amin' io tanàna io ny Mônasteran' i Masindahy Joany Teôlôjiana (grika ankehitriny: Μονή Αγίου Ιωάννου του Θεολόγου / Moní Ayíou Ioánnou tou Theológou), izay naorin' i Masindahy Kristôdôlôsy (grika: Όσιος Χριστόδουλος) tamin' ny taona 1088 noho ny fanampian' ny emperora Aleksiôsy I Kômnenôsy (grika: Ἀλέξιος Αʹ Κομνηνός).
Mbola ahitana fanangonana asa soratra misy tamin' ny taonjato faha-5 ny ao amin' io nosy io, ahitana sary hosodoko koa ao. Ny tanànan' i Venitia (Italia) no nanapaka io nosy io, avy eo ny Tiorka, avy eo i Italia ary farany ny Grika nanomboka tamin' ny taona 1947.
Araka ny lovantsofina kristiana, izay mbola iandian' ny mpahay tantara hevitra mandraka androany, dia tao amin' ny nosy Patmôsy no nanoratan' i Joany ny Bokin' ny Apôkalipsy na Apôkalipsa, tao amin' ny zohy eo ampoto-tendronbohitra, ilay ahitana ny mônastera ankehitriny. Maro ankehitriny ny olona mitsidika sy manao fivahiniana masina ao amin' io zohy io izay nanjary lasapely amin' izao fotoana izao.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.