Sahaba
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny sahaba na mpiara-dia amin' ny Mpaminany no Mozilmana taranaka voalohany, izay niova fo ho amin' ny finoana silamo nandritra ny androm-piainan' i Mohamady sy niara-nipetraka taminy. Heverina ho manam-pahefana amin' ny resaka hadita izy ireo taorian' izay. Lahatsoratra maro no mitantara ny fiainana sy ny hatsaran' izy ireo. Vokatr' izany, ny Mozilmana dia manome fahefana ambony ara-môraly ho azy ireo. Na izany aza dia mampametra-panontaniana ny maha ara-tantara an' ireo olona ireo.
Ny teny hoe sahaba dia fanagasiana ny teny arabo hoe اَلصَّحَابَةُ / aṣ-ṣaḥāba, izay midika hoe "mpiara-dia" (maro). Endrika anarana voasoritra sy milaza maro ny andian-teny hoe "al-ṣaḥāba", ny anarana tsy voasoritra milaza tokana kandahy dia ny hoe صَحَابِيٌّ / ṣaḥābiyy, fa ny kambavy kosa dia ny hoe صَحَابِيَّةٌ / ṣaḥābiyyah.
Ny manam-pahaizana silamo taty aoriana dia nanaiky ny filazan' ny sahaba momba ny teny sy ny asan' i Mohamady, ny fotoana rehetra nanambaràna ny Kor'any ary ny raharaha manan-danja hafa momba ny tantaran' ny finoana silamo sy ny fanao ao aminy. Ny fijoroana vavolombelona nataon' ny sahaba, izay nampitaina tamin' ny rojo-mpitantara azo itokiana (asānīd), no fototry ny lovam-pampianarana silamo. Avy amin' ny lovantsofina momba ny fiainan' i Mohamady (hadith) sy ny sahaba no nakana ny fomba fiainana mozilmana (sunna), ny fitsipi-pitondran-tena (sharia) takian' izany, ary ny didim-pitsarana mislo lalàna (fiqh) izay tokony hifehezana ny fiarahamonina mozilmana.
Ny antokom-pinoana silamo roa lehibe indrindra, ny sonisma sy ny siisma, dia samy manana fomba fandanjana ny lanjan' ny fijoroana vavolombelona ataon' ny sahaba, samy manana ny fanangonana hadita ka vokatr' izany dia samy manana ny fomba fijeriny momba ny sahaba.
Ny taranaka mozilmana faharoa taorian' ny sahaba, izay teraka taorian' ny nahafatesan' i Mohamady, sy nahafantatra sahaba iray farafaharatsiny, dia antsoina hoe tābi'ūn ("mpandimby" maro). Ny taranaka mozilmana fahatelo taorian' ny tābi'ūn, izay nahafantatra tābi ("mpandimby") iray farafahakeliny, dia antsoina hoe tābi' al-tābi'īn ("mpandimby ny mpandiby"). Ireo taranaka telo ireo no mandrafitra ny salaf ao amin' ny finoana silamo.