![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/66/Sakalava_Cuill%25C3%25A8res.jpg/640px-Sakalava_Cuill%25C3%25A8res.jpg&w=640&q=50)
Sakalava
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Sakalava dia vondrom-poko lehibe any amin' ny tapany andrefana sy avaratra-andrefana ary atsimo-andrefan' i Madagasikara. Any Ampasimena (any avaratra) no manomboka ny faritra nentim-paharazana onenan' ny Sakalava, ka mianatsimo mihazo an' Analalava, Mahajanga, Besalampy, Maintirano, Morondava, Morombe ary Toliara. Ny vondrom-poko mifanila vodirindrina aminy kosa dia ny Antakarana any avaratra, ny Tsimihety (ao avaratra-atsinanana) sy ny Merina (ao atsinana) sy ny Betsileo (ao atsinanana), ary ny Bara (ao atsimo-atsinanana) sy ny Mahafaly (ao atsimo). Ny Lakadrano Môzambika no mamaritra azy avy ao andrefana. Mahatratra 6,2 %n' ny mponina manontolo eto Madagasikara ny Sakalava tamin' ny taona 2014, izany hoe 1 210 000 mahery . Ny anaran' izy ireo dia midika hoe "olona any amin' ny lohasaha lava". Mizara ho faritra efatra ny vondrom-poko sakalava, dia ireto:
- ny Sakalavan' i Boina: renivohitra Mahajanga;
- ny Sakalavan' Ambongo: renivohitra Besalampy;
- ny Sakalavan' i Menabe: renivohitra Morondava;
- ny Sakalavan' i Fiherenana: renivohitra Toliara.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/66/Sakalava_Cuill%C3%A8res.jpg/320px-Sakalava_Cuill%C3%A8res.jpg)