From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny sakramenta na Sakramenta Masina, ao amin' ny fiangonana kristiana tranainy sy be mpanaraka, dia fombam-pivavahana inoana fa naorin' i Jesoa Kristy ary nampitandreminy ny Fiangonana mba hampitana sy hanomezana ny fahasoavan' Andriamanitra. Sady famantarana (na tandindon') ny fihavanana eo amin' Andriamanitra sy ny olombelona no fitaovana ahatongavana amin' izany ny sakramenta. Fito ny isan' ny sakramenta ao amin' ny Fiangonana katôlika sy ny Fiangonana ôrtôdôksa fa roa fotsiny izy ao amin' ny Fiangonana prôtestanta. Ny sakramenta dia famantarana atao hanomezana sy hampitomboana ny fahasoavana izay manamasina ny mpino.
Famantarana masina hita maso momba ny fitiavan' Andriamanitra ny sakramenta. Mandray ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy ny olona mandray ny sakramenta.
Fito ny isan' ny sakramenta ao amin' ny Fiangonana katôlika sy ny Fiangonana ôrtôdôsa, dia ireto avy:
Roa ihany ny sakramenta ao amin' ireo Fiangonana protestanta, dia ny batisa (na batemy) sy ny fanasan' ny Tompo.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.