San-Marîno
From Wikipedia, the free encyclopedia
I San-Marîno dia firenena ao Eorôpa Atsimo, tsy manana morontsiraka, mihitsoka tanteraka eo anelanelan’ ny faritanin’ i Émilie Romagne sy ny faritanin’ i Marches ao amin’ ny tapany avaratra-atsinanan’ i Italia. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Dogana. Mirefy 61,2 km2 ny velaran-taniny ary miisa 32 576 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny 31 Jolay 2012. Ny faritr' ora dia +1. Katôlika ny ankamaroan’ ny mponina ao San-Marino.
Ao amin’ ny fototr’ ireo tendrombohitra Apennino no misy an' i San-Marîno. Fifandimbiasana havoana anjakan’ ireo tendro vaton’ i Titano (izay manana haambo 739 m) ny vohon-tany any amin' io firenana io.
Tamin’ ny taonjato faha-14 no niorina i San-Marîno izay repoblika afaka tranainy indrindra eto an-tany. Na dia mihitsoka ao amin’ ny tanim-pirenen’ i Italia aza i San-Marîno dia manana fahefana mahaleo tena sy manana ny fiandrianany.