![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/7b/Patos_%25288210871440%2529.jpg/640px-Patos_%25288210871440%2529.jpg&w=640&q=50)
Sarindokotra
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny sarindokotra na sarin-dokotra dia voron-drano karazan-dokotra zafindraony vokatry ny fampivadiana ny karazan-dokotra na ganagana roa samy hafa, ka ny lahy dia dokotra fiompy miloko mainty matetika, karazana avy any Amazônia, izay atao amin' ny teny ara-tsiansa hoe Cairina moschata, fa ny vavy dia karazana ganagana miloko fotsy ranoray (atao hoe ganaganan' i Pekin) avy any Sina izay atao amin' ny teny ara-tsiansa hoe Anas platyrhynchos. Amin' ny teny malagasy dia atao hoe kirivorona koa izy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/7b/Patos_%288210871440%29.jpg/640px-Patos_%288210871440%29.jpg)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d8/Muscovy_Duck_%28Cairina_moschata%29_male_%2829039391935%29.jpg/640px-Muscovy_Duck_%28Cairina_moschata%29_male_%2829039391935%29.jpg)
Tsy mety mitaranaka intsony ny sarindokotra izay ompian' ny olona fotsiny mba hohanin-kena sy hahazoana ilay atao hoe "aty matavy". Amin' ny ankapobeny dia misy pentina mainty ny loha sy ny rambon' ny lahin-tsarindokotra fa ny an' ny vaviny kosa fotsy na mavo.