Sekta
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny sekta dia vondrona ara-pivavahana na ara-pilôzofia na ara-pôlitika izay heverina ho manana fampianarana mifanohitra amin' izay ataon' ny maro ho marina na nifandovana.
Amin' ny sehatry ny fivavahana dia azo lazana fa samy afaka manondro izay ataony hoe "sekta" ny karazam-pivavahana rehetra, ka ny sekta taloha rehefa lasa matanjaka dia miantso izay misintaka aminy na tsy mitovy fampianarana aminy aty aoriana hoe "sekta". Misy koa ny atokom-pivavahana lazaina hoe sekta na dia tsy niforona avy amin' ̟ny karazam-pivavahana mahazatra efa nisy talohany. Raha eo amin' ny lalàm-panjakana amin' ny ankapobeny, ny fivavahana na ny finoana iray izay mahatonga ny fahalalahan' ny mpino ao aminy ho very manontolo na amin' ny ampahany no atao hoe "sekta".