![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/4d/Isaak_Asknaziy_02.jpeg/640px-Isaak_Asknaziy_02.jpeg&w=640&q=50)
Sôlômôna
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Sôlômôna na Salômôna dia mpanjaka fahatelo tao Israely nandimby an' i Davida rainy teo anelanelan' ny taona 970 sy 931 tal. J.K. Ny Baiboly no ahitana ny ankabeazan' ny tantaran' i Sôlômôna, izay voalaza fa mpanjaka hendry, araka ny Boky voalohan' ny Mpanjaka. Nanjakan' ny fandriam-pahalemana sady nanan-karena ny fanjakany ary izy no voalazan' ny Baiboly fa nanorina ny Tempolin' i Jerosalema voalohany izay atao hoe Tempolin' i Sôlômôna[1] izay natolony ho an' i IHVH Andriamantr' i Israely (1Mpanj. 5.3; 8.20).
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/4d/Isaak_Asknaziy_02.jpeg/320px-Isaak_Asknaziy_02.jpeg)
Teraka tamin' ny taona 1011 tal. J.K. tao Jerosalema ary maty amin' ny taona 931 tal. J.K. tao ihany koa izy. I Davida no rain' i Sôlômôna. Ny vadiny dia Naama, zanakavavin' ny farao Siamôna. Ny zanany dia i Rehôbôama sy i Menelika I.
Maro ireo boky izay lazain' ny lovantsofina fa nosoratan' i Sôlômôna ka ny fantatra indrindra dia ireo ao amin' ny Baiboly, dia ny Bokin' ny Ohabolana sy ny Tononkiran' i Sôlômôna ary ny Bokin' ny Mpitoriteny. Ao koa ireo boky apôkrifa izay mitondra ny anarany.