Tamba-nosin' i Kômôro
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Tamba-nosy Kômôro dia nosy maromaro mifanakaiky ao amin' ny Lakandrano Môzambika, eo anelanelan' ny tendro avaratr' i Madagasikara sy ny morontsiraka avaratr' i Môzambika. Efatra ny nosy lehibebe mamorona an' ilay tamba-nosy, dia i Ngazija (na Kômôro Lehibe), i Njoany (na Anjoany), i Moaly (na Môhely) ary i Maôry (na Mayotte). Ny nosy telo voalohany dia mikambana ara-pôlitika ao amin' ny Firaisan' i Kômôro izay mitambatra ho firenena mahaleo tena, fa i Mayotte kosa (izay ahitana ny nosy Grande-Terre sy Petite-Terre), sy ny nosy madinika manodidina azy, dia departemanta frantsay.