Tendrombohitra Hôreba
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Tendrombohitra Hôreba dia toerana voalaza ao amin'ny Bokin'ny Deoterônômia ao amin'ny Baiboly izay nanoloran'Andriamanitra an'i Mosesy (na Môizy) ny Didy Folo. Lazaina hoe "Tendrombohitr'Andriamanitra" koa io toerana io ao amin'ny Bokin'ny Eksôdosy sy ny Boky voalohan'ny Mpanjaka. Teo koa no voalaza fa toerana nihaonan'ny mpaminany Elia tamin' Andriamanitra.