Toarega (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Toarega dia vahoaka ao Sahara Afovoany sy any amin' ny tanin' ireto firenena tanisaina manaraka ireto: Alzeria, Libia, Nizera, Malỳ, Maoritania, Tsady ary Borkina Fasô. Miantso ny tenany amin' ny fiteny berbera hoe ⴾⵍ ⵜⵎⵛⵈ / Kel Tamsheq ny Toarega. Mampiasa fiteny berbera izy ireo, dia ny fiteny tamaseka izay soratana amin' ny abidy atao hoe tifinàga (tifinagh). Anisan' ny vahoaka Berbera ny Toarega.
Ny Toarega dia monina amin' ny faritra midadasika izay mipaka hatrany Magreba any avaratra ka hatrany Afrika atsimon' i Sahara. Miparitaka ao amin' ny firenena maro ao Afrika ny Toarega, ka ny ahitana azy ireo maro dia any Alzeria, Borkina Fasô, Libia, Malỳ, Maoritania, Nizera, Nizeria ary Tsady.
Matetika dia olona mpifindrafindra fonenana ny Toarega, ka ny fiorenam-ponenany dia nihafaingana hatramin' ny antsasany faharoa amin' ny taonjato faha-20. Matetika dia iharan' ny fampiraisam-bolo ara-kolontsaina sy ara-piteny ary iharan' ny fanavakavahana ara-toekarena sy ara-pôlitika izy ireo ka izany dia niteraka ady mitam-piadiana tamin' ny taompolo1990. Maro ny Toarega nandao ny fiainana mpifindrafindra fonenana ka nanorim-ponenana ao amin' ny tanàn-dehibe manamorona an' i Sahara, toa an' i Tamanrasset any Alzeria, i Agadez ao Nizera, ny renivohitry ny fanjakana saheliana toa an' i Bamako sy i Niamey.
Ny Toarega dia miteny amin' ny fiteny toarega maro, izay ao amin' ny sampana berberan' ny fianakaviam-piteny afrô-aziatika na hamitô-semitika.