From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tsingerin' i Metôna na tsingerina metônika dia fe-potoana marikitra iraisan' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro sy ny tsingerim-pihodinan' ny Volana amin' ny Tany. Izany dia fampifandraisana ny fari-potoana 235 tsingerim-bolana amin' ny 19 taona ka ity farany ity dia latsaka 27 minitra sy 33 segondra (elanelana azo tsinontsinoavina). Noho izany dia mifanojo ny daty mitovy ao amin' ny taona sy ny endriky ny Volana (tsinana, sns) isaky ny 19 taona katroka. Nefa isaky ny 312,5 taona dia miangona io elanelana io ka mahatratra iray andro feno.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.