I Umm al Qaiwain na Umm Al Quwain dia tanàna ao amin' ny Emirata Arabo Mitambatra, renivohitry ny Emiratan' i Umm al Qaiwain. Eo amin' ny Hoala Persika no misy azy io. Misy mponina miisa 34 000 mahery ity tanàna ity izay ny kely indrindra amin' ireo renivohitra fito ao amin' ilay federasiôna, saingy ao anatin' ny tangoron-tanànan' i Dubai izy io.

Thumb
I Umm Al Quwain

Ao amin' ny saikanosy Khor Al Bidiyah no misy ilay tanàna, ary ny tanàna lehibe akaiky azy indrindra dia i Sharjah any atsimo-andrefana ary i Ras Al Khaimah any avaratra-atsinanana. Manatrika ny nosin' i Jazīrat as Sīnīyah izy. Misy ala honko any ivelan' ny tanàna manamorona ny morontsiraka. Miankina betsaka amin' ny jono ny toe-karena eto an-toerana.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.