Wiki
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny wiki dia fitaovana ahafahana mandavorary votoatin'ny sehatra iray amin'ny tranonkala ka ahafahan'ny mpitsidika rehetra nomena alàlana hanova ny votoatin'ny pejy ao anatiny. Manamora ny fiaraha-manoratra lahatsoratra ny wiki, koa rehefa olona maromaro no miara-mamolavola lahatsoratra iray dia tena ahitana tombontsoa ny mampiasa wiki. I Ward Cunningham no namorona ny wiki voalohany tamin'ny taona 1995, tamin'ny ampahan'ny sehatra iray miresaka momba ny programmation informatika, ary WikiWikiWeb no anarana nomeny an'izany. Avy amin'ny teny hawaianina hoe wiki wiki, izay midika hoe « maikamaika » na « informel » no nahazoana ny teny hoe « wiki ». Ampy fahamatorana ny wiki taty amin'ny taona 2000 ary efa nifandray tamin'ny Web 2.0 ihany koa. Ny raki-pahalalana Wikipedia izay niforona ny taona 2001 no nanjary sehatra wiki be mpitsidika indrindra eran-tany.