Zezika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny zezika dia akora tsotra na fangaron' akora, akora ôrganika na mineraly, voajanahary na voatr' olombelona, matetika ampiasaina amin' ny fangaro, atao hanomezana sakafo fanampiny ho an' ny zavamaniry, mba hanatsarana ny fitomboany sady hampitombo sy hanatsara ny vokatra. Ny hetsika manampy zezika dia antsoina hoe fandonahana. Ny fandonahana amin' ny alalan' ny zezika dia atao amin' ny fikarakarana tanimboly sy zaridaina ary ny hazo an' ala. Ny zezika dia efa nampiasaina hatramin' ny Andro Taloha rehefa nampiana fôsfaty avy amin' ny taolana nodorana na tsia, ny azôta avy amin' ny tay sy ny amanin' ny biby na olombelona mifangaro amin-javatra hafa, ary ny pôtasiôma avy amin' ny lavenona.
Mihoatra ny ampolony ny singa simika samihafa ilaina ho an' ny zavamaniry, amin' ny endrika ahafahany mahazo izany amin' ny fomba mahafa-po. Ny azôta, ohatra, dia mety ho azo avy amin' ny endrika many, nitrata, fangaro amôniaka, na amôniaka madio, izay tsy mitovy fahombiazana arakaraka ny karazana zavamaniry.
Ny tany tsy mbola nisy niasa amin' ny ankapobeny dia ahitana ny habetsahana ilaina amin' ny singa rehetra momba ny sakafon' ny zavamaniry. Na izany aza, rehefa volena isan-taona amin' ny tany iray ny karazam-boly iray dia tsy ho ampy ny iray na maromaro amin' ireo singa ara-tsakafo mahasoa indrindra ho an' io voly io ao amin' ilay tany. Noho izany dia hila zezika fanampiny ny fambolena.
Ny hidirôzenina sy ny ôksizenina ary ny karbônina, izay otri-tsakafo tena ilaina ary fototry ny fiasa amin' ny alalan' ny angovon-taratra, dia azo avy amin' ny rivotra sy ny rano. Ny solifara sy ny kalsiôma ary ny vy dia tena ilaina ary misy ao anaty nofon-tany amin' ny fatrany ampy amin' ny ankapobeny. Ny sokay dia ampiana matetika amin' ny tany, nefa ny asany voalohany dia ny fampihenana ny asidra ao amin' ny tany fa tsy atao zezika. Ny singa telo izay tsy maintsy omena matetika amin' ny endrika zezika dia ny azôta sy ny fôsfôro ary ny pôtasiôma. Indraindray misy singa hafa toy ny bôra sy ny varahina ary ny manganezy, izay ilaina amin' ny fatrany kely. Misy be dia be ny azôta ao amin' ny atmôsfera, saingy tsy afaka mampiasa izany amin' io endrika io ny zavamaniry.
Misy ny bakteria mamadika ny azôta ao amin' ny atmôsfera ho lasa fangaro ôrganika amin' ny alalan' ny dingana antsoina hoe famikirana ny azôta ka mamindra ireo zavatra ireo amin' ny zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Fabaceae. Ny teloravina sy ny alfalfa ary ny Fabaceae hafa dia ambolena mifandimby amin' ny voly hafa ary avy eo atao ny vadi-bainga mba hahabetsaka ny azôta ao amin' ny tany.
Ny zezika "voajanahary" maro dia misy iray na maromaro amin' ny singa telo tena ilain' ny zavamaniry. Ohatra, ny zezi-pahitra sy ny zezika tain-dramanavy dia misy azôta. Ny taolana dia misy azôta kely sy fôsfôro betsaka. Ny lavenon-kazo dia ahitana pôtasiôma isan-karazany arakaraka ny niandohan' ilay hazo.
Ny fivarotana zezika dia iharan' ny lalàna sy fitsipika henjana izay manome mari-pamantarana tsy maintsy atao mampiseho ny habetsahana ambany indrindra azo antoka amin' ny singa samihafa hita ao amin' ny vokatra.
Ny fatran' ny singa, afa-tsy ny fôsfôro sy pôtasiôma, dia aseho amin' ny kilôgraman-tsinga isaky ny kilôgraman-jezika. Ny fatran' ny fôsfôro dia aseho amin' ny endrika pentôksida misy fôsfôro (P2O5), ny fatran' ny pôtasiôma misy amin' ny endrika ôksida-na pôtasiôma (K2O).
Ny fampiasana tafahoatra ny zezika dia misy fiantraikany mampidi-doza amin' ny zavamaniry sy ny voly, ary koa amin' ny hatsaran' ny nofon-tany. Fanampin' izany, ny habetsahan' ireo otri-tsakafo ireo ao amin' ny lalan-drano dia mety hiteraka olana momba fahalotoan' ny rano ka miteraka fitomboan' ny zavamaniry anaty rano.