Zizania
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Zizania dia zavamaniry, ahitra, ao amin' ny fianakavian' ny Poaceae, zana-pianakavian' ny Oryzoideae izay fahita any Amerika Avaratra sy any Azia Atsinanana. Misy karazany efatra ity zavamaniry ity, dia ny Zizania palustris (fahita sy avy any Amerika Avaratra), ny Zizania aquatica (fahita sy avy any Amerika Avaratra), ny Zizania texana (fahita sy avy any Amerika Avaratra) ary ny Zizania latifolia (fahita sy avy any Sina). Maniry an-drano ny Zizania, maniry isan-taona na mandavan-taona. Mahatratra 1 hatramin' ny 3 m ny haavony. Ao amin' ny Baiboly amin' ny teny malagasy dia adika hoe tsimparifary ny hoe zizanion (teny grika) izay niavian' ny hoe zizania.