Appalaches

From Wikipedia, the free encyclopedia

Appalaches
Remove ads

Ny tandavan-tendrombohitra Appalaches dia hita any atsinanana amin' i Amerika Avaratra, manomboka any Newfoundland (Kanada) any avaratra ka hatrany afovoan' i Alabama any atsimo (Etazonia). Ny toerana avo indrindra dia ny tendrombohitra Mitchell (2 037 m) any North Carolina. Mahatratra 1 270 m ny haavon' ny Appalaches any Kanada ao amin' ny tendrombohitra Jacques-Cartier, ao amin' ny saikinosy Gaspesia, any amin' ny tendrombohitra Chic-Choc.

Thumb
Tandavan-tendrombohitra Appalaches

Any Etazonia, ny tandavan-tendrombohitra Appalaches dia manasaraka nyka Atlantik Lemaa (any atsinanana) sy ny ony Mississippi sy ny Farihy Lehibe (any andrefana). Mirefy 2 200 km mahery ireo tendrombohitra ireo. Nihena be ny fitrandrahana arintany, izay miantoka ny antsasaky ny herinaratra amerikana, ary sahirana mafy ny indostrian' ny metaly.

Ny tandavan-tendrombohitra Appalachian dia nanome ny anarany ho an' ny karazana vohon-tany, dia ny vohon-tany apalasiana, izay manondro ny sisa tavela amin' ny tendrombohitra tranainy izay efa lanin' ny fikao-tany. Ny lalantsara lava dia mirazotra amin' ny havoana mitomandavana mahitsy. Ny lohasaha apalasiana dia mamorona lalana tery mamakivaky ny tandavan-tendrombohitra.

Ny lalam-pitsangantsanganan' ny Appalaches (Appalachian Trail na AT) dia mamakivaky ny tampon' ilay tandavan-tendrombohitra avy any Maine ka hatrany Georgia, ary ny lalam-pitsangantsanganana apalasiana iraisam-pirenena (International Appalachian Trail na IAT) dia mamakivaky ireo tampona any avaratr' i Maine ka hatrany Cape Gaspé any Gaspesia. Ny fihaonan' izy ireo dia ny tampon' ny tendrombohitra Katahdin.

Remove ads
Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads