Azia Atsinanana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Remove ads
I Azia Atsinanana dia faritra atsinanana ao amin' ny kôntinentan' i Azia. Ireto avy ny firenena hita ao Azia Atsinanana: i Sina, i Kôrea Avaratra, i Kôrea Atsimo, i Japàna ary i Taioàna. Manampy azy ireo i Môngôlia (izay indraindray atao anisan' i Azia Afovoany) sy i Vietnamy sy i Singaporo (noho ny antony ara-kolontsaina, atambatra matetika amin' i Azia Atsimo-Atsinanana), ny faritra Atsinanana Indrindra Rosiana koa dia azo ampidirina ao. Matetika dia akambana amin' ny faritra Atsinanana Indrindra izy.

Remove ads
Kolontsaina
Ara-tantara dia nisy akony tao amin' ny kolontsain' ny firenena ao Azia Atsinanana i Sina, indrindra momba ny voambolana sy ny fanoratana ary ny finoana sy ny fivavahana. Ny fototr' izany kolontsaina izany dia ao amin' ny tapany atsinanan' i Sina, ny Saikanosy Kôreana ary i Japàna, maro mantsy ny zavatra itovian' ireo faritra sy firenena ireo, toy ny:
- fananana toetany mando antonontonona (toetany kôntinentaly ny any avaratra fa trôpikaly ny any amin' ny farany atsimo) ary mety amin' ny fambolena (varimbazaha, vary indrindra);
- fananana sivilizasiôna efa nisy nandritra ny anarivo taona;
- fomba fanoratana izay nifotoran' ny soratra sinoa;
- ny fivavahana sy ny filôzôfia: bodisma sy taôisma ary kônfosianisma.
Ny fielezan' ny kolontsaina sinoa nankany atsinanana (Kôrea sy Japàna) dia efa tamin' ny taonjato faha-6. Ny fielezan' izany mankany Môngôlia sy any Andrefana tamin' ny taonjato faha-11 niaraka amin' ny dinastia Yuan avy amin' ny Môngôliana noho ny ezak' i Gengis Khan.
Remove ads
Ny mponina
Tamlin' ny taona 2016 dia nisy mponina miisa 1,6 tapitrisa ny tany Azia Atsinanana, ka 21,8 % amin' ny mponina maneran-tany izany. Izy no faritra faharoa ahitana mponina betsaka indrindra aorian' i Azia Atsimo.
Noho ny taham-piterahana izay ambany dia ambany dia tsy mitsaha-midina ny isanjaton' ny mponina ao Azia Atsinanana raha ampitahaina amin' ny isan' ny mponina maneran-tany. Fanampin' izany dia faritra ahitana fihanteran' ny mponina haingana indrindra i Azia Atsinanana.
Remove ads
Jereo koa
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Remove ads