Bibikely
From Wikipedia, the free encyclopedia
Remove ads
Ny bibikely dia biby tsy manana hazondamosina, manana vatana misy vaniny mihoatra ny roa, izay amin' ny ankapobeny mifanandrify amin' ny ataon' ny manampahaizana hoe Arthropoda. Ny teny malagasy hoe "bibikely" dia manondro indrindra ny biby ao amin' ny filaharana Insecta nefa tsy voafetra amin' io (anisany, ohatra, ny Arachnida).
Ao amin' ny Rakibolana malagasy nosotratan-dRajemisa-Raolison Régis, ny bibikely dia nomeny famaritana izay tandrify tanteraka ny famaritana ny Insecta:
Teny ilazana ireo biby madinika ankapobeny izay mizara telo ny vatany: ny lohany, ny tratrany ary ny kibony. Misy karazany maro ny bibikely arakaraka ny toetran' ny elany na ny tsy fisiany mihitsy: misy lava mahitsy ny elany (ny valala); misy manana elatra roa an-daniny avy ka mifanarona (ny voangory); na mipetaka eo an-tenatenany ny elany roa an-daniny avy (ny renitantely); misy tsy manana afa-tsy elatra iray tsotra andaniny avy (ny lalitra); ary misy aza tsy manana elatra mihitsy (ny hao, ny parasy).
Izao koa ny famaritana ny hala (izay tsy anisan' ny Insecta fa ao amin' ny Arachnida):
Karazam-bibikely izay valo ny tongony, efatra andaniny avy, ary ny vatany mizara roa: ny tratrany izay miraikitra amin' ny lohany, ary ny kibony boribory lehibebe; mamoaka tsiranorano io kibony io, izay tonga kofehy manify rehefa tratran' ny rivotra, atao hoe landinkala.
Ny maingoka, izay ao amin' ny Arachnida koa dia anisan' ny bibikely:
Bibikely misy tanabeny roa mangeja eo anoloana, ary ny kibony miafara amin' ny rambo mifaingoka izay manindrona misy poizina.
Na dia mahafaoka karazam-biby betsaka kokoa noho ny Insecta aza ny hoe "bibikely" dia tsy mahafaoka ny Arthropoda manontolo satria, amin' ny ankapobeny, ny karazana ao amin' ny Crustacea (ny patsa, ny makamba, ny orana, ny drakaka, ny foza, ny fozaorana, sns), izay anisan' ny Arthropoda dia tsy lazaina ho bibikely.
Remove ads
Kolontsaina
Ohabolana malagasy
- Miangolangola mitendan' akoho fararano: ny akotry tsy tiana, ka ny bibikely no tadiavina.
Jereo koa
- Arthropoda
- Chelicerata (anisany ny Arachnida)
- Myriapoda
- Crustacea
- Hexapoda (anisany ny Insecta)
- Trilobitomorpha
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Remove ads