Eveka

From Wikipedia, the free encyclopedia

Eveka
Remove ads

Ny eveka dia izay manam-pahefana ao amin' ny fiangonana kristiana amin' ny faritra na diôsezy (na diosesy) iray. Maro ny endrika mety hisehoan' ny maha eveka ny eveka. Misy eveka ny fiangonana katôlika sy ny fiangonana ôrtôdôksa sy ny fiangonana anglikana ary ny fiangonana prôtestanta sasany. Ao amin' ny katolisisma, ny eveka vaovao dia ataon' ny eveka iray na maro ôrdinasiôna nivoaka avy amin' ny fifampitohizan' ny mpanao ôrdinasiôna, izay inoana fa mipaka ara-tantara hatrany amin' ny andron' ny iray amin' ny apôstôlin' i Kristy. Izany no atao hoe fifandimbiasana apôstôlika.

Thumb
Eveka katôlika: Gerhard Müller, evekan'i Ratisbonne

Ao amin 'ny prôtestantisma kosa dia anjara asa sahanina eo amin' ny fiangonana ny maha eveka fa tsy misy fototra momba ny sakramenta. Amin' ny Prôtestanta dia tsy zavatra tokony ho fotorina ara-tantara ny fifandimbiasana apôstôlika fa ara-panahy. Rehefa tsy manangana anjara asan' ny eveka ny Fiangonana dia filoham-piangonana no fidina mba hisahana ny andraikitra tokony ho nosahanin' ny eveka.

Remove ads

Jereo koa

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads