Fahatongavana ho nofo (kristianisma)

From Wikipedia, the free encyclopedia

Fahatongavana ho nofo (kristianisma)
Remove ads

Ny fahatongavana ho nofo dia foto-pampianarana kristiana izay ilazana fa ny Tenin' Andriamanitra (Logos) dia tonga nofo tao amin' i Jesoa Kristy. Ambara ao amin' ny fitarihan-tenin' ny Evanjelin' i Joany Izany fampianarana izany (Joa. 1.14). Izany no ivon' ny kristôlôjia.

Thumb
Ny Fahaterahan'ny Mpamonjy, sary nataon'i Georges de La Tour (1644).

Amin' ny Ktistiana trinitariana, ny fahatongavana ho nofo dia fikambanan' ny sobstansan' Andriamanitra amin' ny natioran' olombelona tao amin' ny persônan' i Jesoa Kristy. Sady misy toetr' Andriamanitra no misy toetr' olombelona (afa-tsy ny fahotana) i Jesoa ka inoan' ny ankamaroan' ny Kristiana fa fahatongavan' Andriamanitra ho nofo amin' ny endrik' olombelona.

Ny fahatongavana ho nofo dia niadian-kevitra hatramin' ireo taonjato voalohan' ny kristianisma. Ny tsy fifanarahan-kevitra ara-teôlôjia nafanafana tamin' izany dia ny amin' ny dôketisma.

Remove ads

Jereo koa

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads