Fitrandrahana harena an-kibon' ny tany eto Madagasikara
From Wikipedia, the free encyclopedia
Remove ads
Ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany eto Madagasikara dia kely sady miangona manodidina toerana lavitra ahitana tahirin' akora voajanahary betsaka[1]. Ahitana otrik' akora mineraly misimisy ihany ny mineraly milina sy ny metaly, ny angovo, ny vato saro-bidy sy antonony, ary ny vato fanaingoana[2]. Ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany dia tsy noraharahain' ny fitondrana malagasy nandritra ny am-polo taonany maro talohan' ny taompolo 2000[3]. Tamin' ny taona 2013 ny asa fitrandrahana, izay loharanon-karena ahazoana fampiasam-bola vahiny, dia nisedra fahasahiranana noho ny "vidin' ny metaly ambany sy ny ahiahin' ny orinasa", izay azo lazaina fa vokatry ny fanonganam-panjakana tamin' ny taona 2009[4].
Manana anjara toerana lehibe eo amin' ny toekaren' ny firenena ny milina harena an-kibon' ny tany eto Madagasikara. Mifototra amin' ny fitrandrahana ny loharanon-karena isan-karazany toy ny nikela, ny kôbalta, ny ilmenita, ny volamena, ny grafita na manjarano ary ny vatosoa saihafa (safira, robisy na vatomena, sns). Na dia eo aza izany harena izany dia voafetra ihany ny fiantraikany ara-toekarena amin' ny mponina, ary matetika ity sehatra ity dia voatsikera noho ny vokany eo amin' ny tontolo iainana sy ara-tsôsialy, anisan' izany ny fandripahana ala, ny fandotoana ary ny fifandonana amin' ny vahoaka eny an-toerana. Mbola olana lehibe ihany koa ny tsy fisian' ny mangarahara sy ny tsy fahampiana ny fitondrana tsara tantana.
Remove ads
Tantaran' ny fitrandrahana
Faha mpanjaka
Nandritra ny fanjanahantany
Taorian' ny fahazoana ny fahaleovantena
Ny any ambanin' ny tanin' i Madagasikara dia ahitana tahirin' akoram-barahina, vy, manganezy, manjarano (na grafita), siravato, nitera, pirita ary mineraly hafa koa[5]. Tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-20 dia notrandrahana avy tamin' ny antsanga miangona manerana ny Nosy ny volamena. Toraka izany koa ny antimoanina sy ny varahina sy ny vy sy ny firapotsy dia heverina fa misy betsaka, ankoatry ny tara asfalta sy ny arintany ary ny solitany.
Ny tahirin' akoram-bolamena voajanahary dia hita tao amin' ny lohasahan' ny reniranon' Ampoasary, izay mivarina any amin' ny onin' i Mananjary, any atsinanan' Ambositra. Raha nanadio ny vovo-bato misy volamena amina sahafa vy ny olona tokony ho 3 000 eo tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20, dia nantenaina fa ny fitrandrahana ny haran-dranomasina dia hisolo ny fomba fiasa nentim-paharazana amin' ny fitrandrahana ny volamena. Tamin' ny taona 1905 dia maro ireo fikambanana tany Transvaal (Afrika Atsimo) niforona mba hividy tany eto Madagasikara[6].
Remove ads
Ny vokatra sy ny fiantraikany
Sady ahitana fitrandrahana madinika sy lehibe ny eto Madagasikara. Ny famokarana volamena tamin' ny taona 1904 dia nahatratra 2 641 kg izay nitentina 316 995 livre sterling. Ny taona manaraka, dia nahatratra 2 370 kg izany, ary nitentina 286 804 livre sterling. Akoram-by milanja 10 taonina no azo tamin' ny fitrandrahana madinika tamin' ny taona 1905[6].
Ny taham-pitomboan' ny famokarana voarakitra amin' io seha-pitrandrahana io dia 121 % tamin' ny taona 2010, izay voatazon' ny fitombon' ny famokarana agata, vatokaranana (na koartsa), zirkôna, ilmenita (na fasimainty), rotila, labradôrita, sokay, vatovandana (na marbra), simenitra, manjarano (na grafita), vatosoa, nikela ary kôbalta[7].
Remove ads
Ny lalàna mifehy ny fitrandrahana
Ny lalàna malagasy ankehitriny momba ny harena an-kibon' ny tany dia ireto:
- ny lalàna laharana faha-2005-022 tamin' ny 17 Ôktôbra 2005, izay nanova ny lalàna laharana faha-2001-031 tamin' ny 8 Ôktôbra 2002 mametra ny fitsipika manokana iantohana ny fampiasam-bola[11][12][13][14];
- ny lalàna laharana faha-2005-021 tamin' ny 17 Ôktôbra 2005 nanova ny lalàna laharana faha-99-022 tamin' ny 19 Aogositra 1999[15][16][17][18];
- ary ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon' ny tany; ny didim-panjakana laharana faha-2006-910 tamin' ny 19 Aogositra 2006 momba ny fanatanterahana ny fehezan-dalàna mifehy ny harena an-kibon' ny tany[2][19][20].
Ny lalàna laharana faha-99-022
Ny lalàna laharana faha-99-022 tamin' ny 19 Aogositra 1999 no mametraka ny rafitra ara-dalàna momba ny fizahana, fikarohana, fitrandrahana, fanodinana ary fivarotana ny akora mineraly eto Madagasikara (and. 1 sy 2 ary 3). Tanjony ny hamporisika ny fampiasam-bola amin' ny sehatry ny harena an-kibon' ny tany sady miantoka ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary.
Fananan' ny fanjakana ny ao ambanin' ny tany
An' ny fanjakana malagasy ny ambanin' ny tany (and. 4). Tsy misy olona afaka mampiasa tahirin' akora any ambanin' ny tany raha tsy nahazo alalana ôfisialy (and. 5).
Fahazoan-dalana
Malalaka ny miditra amin' ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany: afaka mangataka fahazoan-dàlana hitrandraka ny olona na ny orinasa ara-dalàna, teratany na vahiny. Misy karazany maromaro ny fahazoan-dàlana momba ny harena ankibon' ny tany, anisan' izany ireto manaraka ireto:
- fahazoan-dàlana amin' ny fikarohana, hamantatra ny loharanon-karena izay manan-kery andritra ny 5 taona, azo havaozina (and. 19 hatramin' ny 28);
- fahazoan-dalana hitrandraka: maka sy mivarotra ny harena an-kibon' ny tany, manan-kery mandritra ny 40 taona fara-fahabeny, azo havaozina (and. 19 hatramin' NY 28);
- fahazoan-dàlana ho an' ny orinasa madinika: natao ho an' ny mpandraharaha madinika na mpanivana volamena (and. 69 hatramin' ny 75);
- fahazoandàlana famandrihana manokana: ho an' ny faritra voatokana amin' ny fotoana tsy maharitra ho an' ny fanadihadiana manokana.
Adidy momba ny tontolo iainana
Tsy maintsy manaraka ny fenitra ara-tontolo iainana manan-kery ny tompon’ ny fahazoan-dalana hitrandraka. Takiana amn' izy ireo ny hanao fanadihadiana momba ny fiantraikan' ny fitrandrahana amin' ny tontolo iainana alohan' ny hanombohan' ny asa, toy izany koa ny tokony hametrahany fepetra fanarenana ny toerana nanaovana fitrandrahana (and. 99 hatramin' ny 104).
Fakan-kevitra amin' ny mponina eny an-toerana
Rehefa mikasa ny hanomboka asa ny orinasa mpitrandraka iray dia tsy maintsy mampahafantatra sy maka hevitra amin' ny mponina ao an-toerana, indrindra amin' ny faritra misy toeram-ponenana na fitrandrahana nentim-paharazana, indrindra eo amin' ny sehatry ny famolavolana ny fandalinana ny fiantraikan' ny fitrandrahana amin' ny tontolo iainana (and. 99 hatramn' ny 104).
Hetra momba ny fitrandrahana harena ankibon' ny tany
Ity fehezandalàna ity dia mametraka rafitra momba ny hetra manokana ho an' ny sehatry ny fitrandrahana harena ankibon' ny tany, ao anatin' izany ny tamberna mifandanja amin' ny famokarana, sy ny hetra amin' ny fahazoan-dàlana, ary ny fandraisan' ny fanjakana anjara amin' ny tetikasa sasany (and. 159 hatramin' ny 174).
Fanaraha-maso sy sazy
Ny mpitantana ny harena ankibon' ny tany no miandraikitra ny fanaraha-maso ny asa fitrandrahana. Ny sazy dia omena raha toa ka misy tsy fanarahana ny fepetra voalazan' ny fehezan-dalàna, izay mety manomboka amin' ny fandoavana lamandy ka hatramin' ny fampiatoana na fisintomana ny titra momba ny fitrandrahana ny harena ankibon' ny tany (and 175 hatramin' ny 188).
Lalàna laharana faha-2005-021
Ny lalàna laharana 2005-021 tamin' ny 17 Ôktôbra 2005 dia manova ny fepetra sasany ao amin' ny lalàna laharana faha-99-022. Ireto ny fiovana lehibe natao:
Tahiry vonjimaika ho an' ny fanadihadiana ny tontolo iainana
Ny adininy faha-17 dia nasiam-panitsiana mba ahafahana mamorona tahiry vonjimaika natokana ho an' ny fanadihadiana momba ny tontolo iainana, ankoatra ireo fanadihadiana ara-jeôlôjia. Ireo tahiry ireo dia aorina amin' ny alalan' ny didim-panjakana iarahan' ny minisitra miandraikitra ny harena an-kibon' ny tany sy ny tontolo iainana. Miitatra hatramin' ny 18 ka hatramin' ny 24 volana ny faharetan' ireo tahirim-bola ireo, ary mety hisy fanitarana tokana 12 volana. Ity fanitarana ity dia mikendry ny hamela ny fanombanana ny tontolo iainana mandrakotra ny vanim-taona rehetra.
Fanazavana momba ny akora radiôaktifa
Ny andininy faha-8 dia nohavaozina mba hanazavana fa ny zo hikaroka na hitrandraka ny akora sy mineraly radiôaktifa dia azo amin' ny alalan' ny fahazoan-dàlana hitrandraka, toy ny amin' ny akora hafa. Na izany aza, misy fepetra manokana azo ampiharina noho ny toetra manokan' ireo akora ireo.
Tamberim-bidy ho an' ny vondrombahoakam-paritra
Ny andininy faha-117 dia nasiam-panitsiana mba hanoloana ny fandraisan' anjaran' ny faritany mizaka tena sy ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana amin' ny fidiram-bola tamberim-bidy. Io fanitsiana io no ahafahan' ny faritany mizaka tena na ny faritra mandray mivantana an’ io tamberim-bidy io rehefa tafapetraka ny rafitra fitsinjaram-pahefana ilaina.
Ireo fanitsiana ireo dia mikendry ny hanatsarana ny fitantanana ny tontolo iainana amin' ny asa fitrandrahana, hanazava ny fifehezan' ny lalàna ny akora radiôaktifa ary hanamafisana ny fizakantena ara-bolan' ny vondrombahoakam-paritra eny ifotony ao anatin' ny sehatry ny fampandrosoana ny indostrian' ny harena ankibon' ny tany.
Remove ads
Ny karazana vokatra
Ireto avy ny mineraly azo ampiasaina amin' ny sehatra indostrialy sy metalika: ilmenita, manjarano, vatosokay, vatosanga (na zipsa), dôlômita, silisy, eladrano (na mikà), titanina, koartsa, volamena, volamahery (na platinina), volafotsy, vy, varahina, fanitso, nikela, kôbalta, krômita, arintany ary oraniôma. I Madagasikara dia betsaka vato saro-bidy toy ny robisy, safira, emeralda, akoamarinina (na berila manga maitso), berila, tormalinina, tôpazy, grenata, kôrdierita, vatokaranana mavokely, ametista ary sitrinina. Ny vato fanaigoana dia ahitana ny vatovandana sy ny hazovato (na vatohazo) ary ny jaspy (na jaspa)[2].
Remove ads
Ny toerana azo itrandrahana
Maro ny toerana misy harena an-kibon' ny tany betsaka eto Madagasikara, ka anisan' izany ireto tanisaina manaraka ireto.
- Toeram-pitrandrahana ao Ambatovy (nikela sy kôbalta)
- Toeram-pitrandrahana ao Ampasindava (en)
- Toeram-pitrandrahana ao Ankaizina (baoksita)
- Toeram-pitrandrahana ao Bekisopa (vy, ao Bekisopa, Tanamarina, Ikalamavony)
- Toeram-pitrandrahana ao Betioky (vy)
- Toeram-pitrandrahana ao Farafangana (baoksita)
- Toeram-pitrandrahana ao Fenoarivo (vy)
- Toeram-pitrandrahana Green Giant (vanadiôma, ao Fotadrevo)
- Toeram-pitrandrahana ao Manantenina (baoksita)
- Toeram-pitrandrahana ao Mandena (ilmenita)
- Toeram-pitrandrahana ao Ranobe (titanina)
- Toeram-pitrandrahana ao Soalala (vy)
- Toeram-pitrandrahana ao Sahamamy (manjarano, ao Fetraomby)
- Toeram-pitrandrahana ao Marovinsty, akaikin' i Vatomandry (manjarano, Ets. Gallois S.A.)
- Toeram-pitrandrahana ao Antsirakambo, akaikin' i Brickaville (manjarano, Ets. Gallois S.A.)
- Toeram-pitrandrahana ao Ambalafotaka (manjarano, Ets. Gallois S.A.)
- Kraoma chromium mine (Kraomita Malagasy S.A - Brieville)
- Ny Holcim (simenitra, ao Ibity)
- Ny Madagascar Long Cimenterie (Maloci) (simenitra, ao Ambohimanambola, Betafo)
Remove ads
Jereo koa
- Fitrandrahana
- Seha-pihariana
- Fambolena eto Madagasikara
- Fiompiana eto Madagasikara
- Jono eto Madagasikara
- Taozava-baventy eto Madagasikara
- Fitaterana eto Madagasikara
- Samihafa
Rohy ivelany
Lalàna
- "Loi-n°-99-022-portant-Code-minier", www.assemblee-nationale.mg
- "Loi-n°-2023-007-Code-minier", www.assemblee-nationale.mg
Loharano sy fanamarihana
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Remove ads