Hazo fijaliana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Remove ads
Ny hazo fijaliana na hazofijaliana na lakroà dia eva amantarana ny fivavahana kristiana amin' ny ankapobeny, izay heverina ho endriky ny fitaovana nanomboana an' i Kristy. Tamin' ny taonjato faha-4 no lasa eva sy famantarana ny fivavahana kristiana ny hazo fijaliana mitanam-bokovoko, izay noraisin' ny emperona Kônstantino Lehibe, araka ny lovantsofina, amin' ny endrika krisma (☧). Tamin' izany vanim-potoana izany sy taorian' ny nahitan' ny renin' ity emperora ity ny relikan' ny "Hazofijaliana Marina" (heverina fa io ilay nanomboana an' i Kristy), araka ny lovantsofina, no nanombohan' ny fivavahana amin' ny hazofijaliana. Nandritra ny taonjato faha-4 sy faha-5 dia nanomboka nanaingo ny trano fivavahana io famantarana io. Tafaraka matetika amin' ny sary fanehoana an' i Kristy ny hazo fijaliana nanomboka tamin' ny taonjato faha-6.

Remove ads
Jereo koa
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Remove ads