Java

kilalao mahafinaritra atao amin'ny alalan'ny finday avo lenta na koa solosaina... From Wikipedia, the free encyclopedia

Java
Remove ads

I Java dia nosin' i Indônezia ao Insolindia, izay manana moron-tsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Indiana ao atsimo sy ao amin' ny Ranomasin' i Java ao avaratra, hodidinin' i Sumatra ao avaratra-andrefana, ny nosy Bali ao atsinanana ary i Borneo ao avaratra. Atao hoe Jawa izy amin' ny teny indôneziana. Misy mponina manodidina ny 150 tapitrisa izy (60 % amin' ny mponina any Indônezia), ka izy no nosy be mponina indrindra eto an-tany. Mahatratra 1 000 km ny halavany ary 128 300 km2 ny velarany miaraka amin' ny nosy manakaiky azy atao hoe Madura sy ny nosy madinika maro hafa koa. Ny toetany misy ao aminy dia toetanim-pehibe. Ao amin' ny morontsiraka avaratr' i Java ao amin' ny ilany andrefana no misy an' i Jakarta renivohitr' i Indônezia.

Thumb
Sarin-tany maneho ny nosy Java, any Indônezia
Remove ads

Jereo koa

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads