Tetiandro sinoa

From Wikipedia, the free encyclopedia

Tetiandro sinoa
Remove ads

Ny tetiandro sinoa dia tetiandro manara-bolana sy masoandro ka ny volana iray dia manomboka amin' ny fahatsinan' ny Volana ary ny iray taona dia misy volana roa ambin' ny folo na indraindray telo ambin' ny folo.

Thumb
Tetiandro sinoa

Araka ny lovantsofina dia ny "Emperora Mavo" no namorona ny tetiandro sinoa voalohany tamin' ny taona 2637 tal. J.K., izay nampiharina naomboka amin' ny taona nahaterahany (2697 tal. J.K.) na ny taona nitsaihany (2698 tal. J.K.).

Ny tantsaha no mampiasa bebe kokoa ny tetiandro sinoa mba hiatrehany ny asa fambolena ara-potoana sy hanaovany ny fety nentim-paharazana na ara-pivavahana toy ny taom-baovao sinoa na ny fetin' ny antsasaky ny fararano. Ny fanadroana sinoa koa dia avy amin' ny tetiandro sinoa.

Manana ny tetiandrony manokana, izay mbola ampiasain' ny vahoaka vitsy anisa ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina, mba hamaritany ny fotoana tokony hankalazany fety, ny mponina sinoa tsy anisan' ny foko hàna.

Remove ads

Jereo koa

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads