Kasiterita

From Wikipedia, the free encyclopedia

Kasiterita
Remove ads

Ny kasiterita dia karazana mineraly voaforon' ny diôksida-na firapotsy, izay manana raikipohy simika SnO2, mety ahitana soritra singa metaly hafa toy ny vy (Fe), tantala (Ta), niôbioma (Nb), fanitso (Zn), tongstena (W), manganezy (Mn), skandiôma (Sc), zermaniôma (Ge), indiôma (In) ary galiôma (Ga), indrindra amin'ny endrika ôksida. Amin' ny ankapobeny dia matroka ny lokony, saingy manjelanjelatra. Ny famirapiratany sy ny tavan-kristaliny maro dia mahatonga azy ho vatosoa mahafinaritra. Ny kasiterita no loharanon' ny firapotsy lehibe indrindra ankehitriny.

Thumb
Kasiterita
Remove ads
Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads