Midrasa

From Wikipedia, the free encyclopedia

Midrasa
Remove ads

Ny Midrasa dia lahateny na lahatsoratra nataon' ny raby ivoasany ny Torah mba hanazavana ny zavatra momba ny lalàna na ny fitondran-tena. Amin' ny teny hebreo izany dia atao hoe מדרש / midrash. Ny tanjon' ny fanaovana midrasa dia ny hanazava ny hevi-dalina miafina ao ambadiky ny hevitra ara-bakitenin' ny Baiboly. Anangonana ny fivoasana nataon' ny raby maro ny amin' ny lalàna sy ny fomba amam-panao resahina ao amin' ny Soratra Masina ny Midrasa. Maro ny midrasa (midrashim) voasoratra ka naharitra taonjato folo no nanaovana izany. Natao am-bava aloha ny midrasa vao izay noraiketina an-tsoratra taty aoriana. Ny midrasa koa dia ny boky mirakitra izany fivoasana izany sy ny lahatsoratra mamelabelatra azy ireo ary ny fomba fiasa anatanterahana izany fivoasana izany.

Thumb
Pejin-dohatenin' ny fanontana ny Midrash Tehillim (Praha, 1613).

Voasoratra tany amin' ny taona 200 tal. J.K. any ho any ny midrasa tranainy indrindra, ary tamin' ny taonjato faha-12 taor. J.K. ny farany indrindra.

Remove ads

Fiforonan-teny

Ny teny hoe midrasa dia avy amin' ny teny hebreo hoe מדרש / midrash, izay avy amin' ny hoe drsh, "manontany" na "manadihady".

Midrasa halakà sy Midrasa agadà

Misokajy roa ny midrasa, dia ny midrasa halakà (hebreoː מדרש הלכה / Midrash halakha) sy ny midrasa agadà (hebreoː מדרש אגדה / Midrash aggada). Mikasika ny lalàna sy manangona ny fitsipika (halakhot) izay mitambatra ao amin' ny Lalàna am-bava ny midrasa halakà.

Miankina amin' ny sehatra rehetra tsy momba ny lalàna (anisan' izany ny fomba amam-panao, ny fitondran-tena, ny teôlôjia, sns) sady manome fampianarana ara-pitondran-tena ny midrasa agadà. Ahitana agadà (אגדה) izay miseho amin' ny endrika sy fomba fandaharan-teny maro isan-karazany ny midrasa agadà: fanoharana, fitantarana, angano, sns.

Remove ads

Jereo koa

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads