Paiso

Hazo fihinamboa From Wikipedia, the free encyclopedia

Paiso
Remove ads

Ny paiso dia zavamaniry mihintsan-dravina sady fihinam-boa, ao amin' ny fianakaviana Rosaceae. Avy any Sina eo anelanelan' ny lempona Tarim sy ny ilany avaratry ny Tendrombohitra Kunlun, ny paiso, nefa ankehiriny dia volena manerana izao tontolo izao, indrindra any amin' ny faritra manana toerany antonony mafana sy toetany ambanin' ny zana-pehin-tany. Ny anaran' ny paiso ara-tsiansa dia Prunus persica.

Thumb
Foto-paiso
Remove ads

Toetoetran' ny paiso

Thumb

Ny hazo paiso

Antonony ny haavon' ny paiso izay mahatratra 2 m hatramin' ny 7 m sady lalim-paka no haingam-pitombo ny paiso. Tsy maharitra ny fahaveloman' ny paiso ka fara fahelany dia eo amin' ny telompolo taona.

Ny vonim-paiso

Thumb
Vonim-paiso

Mavokely ny lokon' ny vonim-paiso izay miseho alohan' ny raviny amin' ny fiafaran' ny ririnina na amin'ny fiandohan' ny lohataona (na amin' ny fahavaratra koa aza. ho an' ireo karazam-paiso tara faniry. Ny vonim-paiso dia mitondra vavim-bony sy lahim-bony, misy felana dimy.

Ny voany

Thumb
Voam-paiso

Voankazo boribory, nofosana sy mamy ary be ranony ny voam-paiso rehefa masaka.

Ny ravim-paiso

Thumb

Zavamaniry manintsan-dravina ny paiso. Lavalava ravina ny paiso ka mirefy eo anelanelan' ny 8 sm sy 15 sm izany ravina izany sady manana sakany mirefy 2 sm hatramin' ny 3 sm.

Remove ads

Ny karazana paiso

Mahatratra 300 any ho any ny karazana paiso, ka ny voan' ny sasany misy hodiny voloina miloko mavo na fotsy sady misy vihy tsy miraikitra amin' ny nofony, ny voan' ny sasany voloina ihany koa nefa miraikitra amin' ny hodiny ny vihiny, ny voan' ny sasany malama hoditra sy misy vihiny tsy miraikitra amin' ny nofony, ny voan' ny sasany malama hoditra sy misy vihiny miraikitra amin' ny nofony.

Famokarana paiso

Ny paiso volena dia efa azo akana voany rehefa feno fito hatramin' ny sivy taona. Ny fivarotana paiso voatahiry dia misahana toerana lehibe amin' ny raharaham-barotra. Tamin' ny tenantenan' ny taona 1980 dia mihoatra ny 445 000 taonina isan-taona ny paiso notehirizina tany Etazonia fa ny totaliny maneran-tany dia nahatratra 5 500 000 taonina. I Etazonia sy Italia no firenena mpamokatra sy mpanondrana paiso betsaka indrindra maneran-tany. Isan' ny mpanondrana paiso koa i Grisia sy i Frantsa.

Jereo koa

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads