Tetiandro manara-masoandro
From Wikipedia, the free encyclopedia
Remove ads
Ny tetiandro manara-masoandro dia tetiandro ahitana volana roa ambin' ny folo nefa tsy miankina amin' ny fihodinan' ny Volana amin' ny Tany fa ahitana fampifanandrifiana ny tsingerin-taona amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro na amin' ny tsingerin' ny fizaran-taona.
Ao amin' ny tetiandro manara-masoandro dia tsy mifanaraka amin'ny faharetan' ny tsingerim-pihodinan' ny Volana ny iray volana. Ny faharetan' ny iray taona no kendrena hanakaiky indrindra ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro izay maharitra 365,242201 andro. Tetiandro manara-masoandro tanteraka ny tetiandro egiptiana sy ny tetiandro joliana ary ny tetiandro gregoriana.
Remove ads
Ny tetiandro egiptiana
Nisy 365 andro ny iray taona tao amin' ny tetiandro egiptiana sady nitsinjara ho 12 volana (ahitana 30 andro avy) sy 5 andro fanampiny. Nampiasaina nandritra ny 4 500 taona izany tetiandro izany.
Ny tetiandro joliana
Misy 365,25 andro ny salam-paharetan' ny iray taona ao amin' ny tetiandro joliana nefa nihoatra 3 andro izany isaky ny taonjato 4 raha ampitahaina amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro, ka nahatonga ny fihoarana 10 andro eo ho eo tamin' ny taonjato faha-16 izay nitarika ho amin' ny fampiasana ny tetiandro gregôriana tamin' ny fanitsiana azy tamin' ny taona 1582 yamin' ny andron' ny Papa Gregorio XIII.
Remove ads
Ny tetiandro gregôriana
Ny salam-paharetan' ny taona ao amin' ny tetiandro gregôriana dia misy 365,2425 andro eo ho eo. Na ny tetiandro gregôriana aza dia mbola ahitana elanelana 3 andro amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro isaky ny 10 000 taona.
Ny ankamaroan' ny anaram-bolana ao amin' ny tetiandro gregôriana dia anarana nanomezam-boninahitra ny andriamanitry ny Rômana sy ny emperora na kaisara fony izy ireo nanaraka ny paganisma. Na dia lasa kristiana aza i Rôma dia tsy afaka nanova ireo anaram-bolana ireo. Tsy nanova koa iny antokom-pivavahana kristiana na hafa, eny fa na dia ireo tsy te hanan-javatra ifandraisana amin' ny paganisma aza.
Jereo koa
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Remove ads