Map Graph
No coordinates found

Letônia

I Letônia na Latvia na Repoblikan' i Letônia na Repoblikan' i Latvia dia firenena ao Eorôpa Avaratra-Atsinanana, manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasina Baltika. Ny renivohiny dia i Riga. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 64 589 km2 ny velaran-taniny ary 2 013 400 ny isan' ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2013. Ny faritr'ora dia +2. Isan' ireo atao hoe Firenena Balta na Fanjakana Baltika ao Eorôpa Avaratra i Letônia. Mamaritra azy avy ao avaratra ny Helodranon' i Riga, izay sampan' ny Ranomasina Baltika, sy i Estônia, ao atsinanana i Rosia, ao atsimo i Bielôrosia sy i Litoania, ary ao andrefana ny Ranomasina Baltika.

Read article
Sary:Flag_of_Latvia.svgSary:Coat_of_arms_of_Latvia.svgSary:EU-Latvia.svgSary:Carte_de_Lettonie.png