Kônsily
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny kônsily, izay indraindray atao hoe koe sinôda na sinaody koa, dia fivoriam-ben' ny eveka katôlika na ôrtôdôksa izay anapahana ny tenim-pinoana sy ny foto-pampianarana ary ny fitsipi-pifehezana hiainan' ny Fiangonana. Ny Apôstôly no heverina fa nanao kônsily voalohany tany Jerosalema (taona 49 taor. J.K.). Tsy isaina ao amin' ny filaharan' ny kônsily anefa io fivorian' ny Apôstôly io. Ny emperora no nampiantso kônsily tamin' ny voalohany, taty aoriana dia ny papa no manao izany. Ny Kônsily voalohany tao Nikea no kônsily voalohany teo amin' ny Fiangonana taorian' ny andron' ny Apôstôly. Manam-pahefana amin' ny Fiangonana ny zavatra tapaka amin' ny kônsily.
Misy anefa konsily izay tsy eken' ny fiangonana sasany aorian' ireo fivakisan' ny Fiangonana teo amin' ny tantara. Ny Fiangonana prôtestanta sy ny Fiangonana anglikana dia tsy manaiky afa-tsy ny fahefan' ny kônsily telo volohany, ny Fiangonana ôrtôdôksa tandrefana ny fito voalohany, ary ny Fiangonana katôlika dia manaiky ny fahefan' ny ankamaroan' ny kônsily rehetra.