Prôtestantisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny prôtestantisma dia iray amin' ireo sampana lehibe ao amin' ny kristianisma ankoatry ny katôlisisma sy ny Ôrtôdôksia. Ny prôtestantisma dia mahafaoka ireo fiangonana nipoitra mivantana na tsia amin' ny Refôrmasiona (na Refôrma) ka mizara ho sampany lehibe (toy ny adventisma, ny anabatisma, ny anglikanisma, ny fiangonana batista, ny fiangonana nohavaozina, ny loteranisma, ny metôdisma, ny pentekôtisma) sy sampany madinika (toy ny hositisma, valdisma, ny fiangonan' ny mpirahalahy, ny hetsiky ny fanamasinana, ny koakerisma) ary ny maro hafa koa. Ireo fiangonana ara-pilazantsara (na Evanjelika) dia indraindray atao hoe anisan' ny Prôtestanta nefa indraindray koa lazaina hoe sampana manokan' ny kristianisma.
Laharana faharoa ny prôtestantisma, manaraka ny katôlisisma, raha ny isan' ny mpino ao aminy no heverina izay mahatratra ny 40%n' ny Kristiana maneran-tany[1].