Sakramenta
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny sakramenta na Sakramenta Masina, ao amin' ny fiangonana kristiana tranainy sy be mpanaraka, dia fombam-pivavahana inoana fa naorin' i Jesoa Kristy ary nampitandreminy ny Fiangonana mba hampitana sy hanomezana ny fahasoavan' Andriamanitra. Sady famantarana (na tandindon') ny fihavanana eo amin' Andriamanitra sy ny olombelona no fitaovana ahatongavana amin' izany ny sakramenta. Fito ny isan' ny sakramenta ao amin' ny Fiangonana katôlika sy ny Fiangonana ôrtôdôksa fa roa fotsiny izy ao amin' ny Fiangonana prôtestanta. Ny sakramenta dia famantarana atao hanomezana sy hampitomboana ny fahasoavana izay manamasina ny mpino.
Famantarana masina hita maso momba ny fitiavan' Andriamanitra ny sakramenta. Mandray ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy ny olona mandray ny sakramenta.