Ampiposahana (faritra)
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ampiposahana no anarana mahazatra taloha omena ny fitambaran' ny tany manamorona ny morontsiraka atsinanan' i Mediteranea ao Azia Andrefana, ka amin' ny heviny mifintina dia ny faritr' i Siria izany, izay ahitana an' i Libàna sy i Siria (izay ataon' ny Frantsay hoe États du Levant "Fanjakana any Ampiposahana"), manampy an' ireo i Jôrdania sy i Israely ary i Palestina, nefa misy koa ny atao hoe Faritr' Ampiposahana (frantsay: Région du Levant) izay mahafaoka koa an' i Israely, i Jôrdania, i Anatolia, i Mesôpôtamia ary i Ejipta. Ankehitriny ny hoe Ampiposahana dia manondro ny faritra Atsinanana Akaiky na ny Atsinanana Afovoany koa aza.
Ny hoe Ampiposahana dia fandikana amin' ny teny malagasy ny teny italiana hoe Levante izay midiha hoe "Miposaka". Avy amin' io teny italiana io no nafazoana amin' ny teny frantsay na fiteny anglisy ny hoe Levant.
Ireo faritra ara-drafintany ao Azia
Fizaràm-paritra hafa ao Azia
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.