Antefasy
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Antefasy na Antaifasy na Tefasy na Taifasy dia vondrom-poko iray eto Madagasikara ao amin' ny morontsiraka atsimo-atsinanana, ao amin' ny faritra manodidina an' i Farafangana. Izany anarana izany dia midika hoe "ireo izay monina eo amin' ny fasika". Eo anelanelan' i Manampatra sy Mananara Atsimo izy ireo, izany hoe eo anelanelan' ny Antemoro ao avaratra sy ny Antesaka ao atsimo. Nizara telo ara-tantara ny fiarahamonina Antefasy, izay samy nofehezin' ny mpanjaka ary nifantoka mafy tamin' ny famerana ny fitsipi-pitondran-tena nentin-drazana. Niisa 150 000 any ho any ny Antefasy tamin' ny taona 2013[1].
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina. Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. |