Bokin' i Isaia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' i Isaia, na Bokin' i Izaia, dia boky faminaniana voalohany sy lava indrindra ao amin’ ny Tanakh sy ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin’ ny Baiboly.
Ny Bokin’ i Isaia no bokim-paminaniana mahakasika lohahevitra maro izay voavelabelatra amin’ ny fomba lava dia lava, ka ireto ny tena lehibe amin' izany: ny maha-tokana an' Andriamanitra (mônôteisma), ny faharavan' i Babilôna sy i Tiro (na Tira), ny fanantenana ny Mesia mpanjaka ary ny Andro farany. Manasongadina ny halehibe amam-boninahitr' Andriamanitra izay manerana izao rehetra izao sy ny maha tompon' ny Tantara sy ny Zavaboary an’ Andriamanitra koa io boky io. Ambaran' ny Bokin' i Isaia manontolo fa miseho amin' i Israely ny fahamasinan' Andriamanitra sady miseho amin’ izao tontolo izao amin' ny alalan’ i Israely izany. Milaza an' i Iahveh (na Jehovah) ho "ilay Masin’ i Israely" ny mpaminany Isaia. Io boky io dia miresaka momba ny fahababoan' ny Jiosy tany Babilôna sy ny niverenan’ izy ireo tamin' ny taniny ary ny nananorenana indray ny Tempoly tao Jerosalema araka ny baikon' ny mpanjaka Kirosy (na Sirosy).
Ny hevitra miverimberina ao amin’ ny Bokin’ i Isaia dia azo fintinina amin' ny hoe: An’ Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra.