![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/46/Gustave_Dor%25C3%25A9_%25281832-1883%2529_-_The_Bible_%25281865%2529_-_Zechariah_6-5.jpg/640px-Gustave_Dor%25C3%25A9_%25281832-1883%2529_-_The_Bible_%25281865%2529_-_Zechariah_6-5.jpg&w=640&q=50)
Bokin' i Zakaria
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' i Zakaria dia boky ao amin’ ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ ny Baiboly kristiana. Io boky io dia mirakitra ny toriteny sy ny fahitàn' i Zakaria. Ny fanamboarana ny Tempoly faharoa no tena nanahirana an’ i Zakaria sady nitoriany ny amin’ ny famerenana indray ny voninahitry ny firenena sy ny fanajana amin’ ny antsipiriany ireo lalàm-pitondran-tena sy ny fahadiovan’ ny fombafombam-pivavahana. Ny ivon’ ny toriteny sy fahitan’ i Zakaria dia ny andro fiandrandrana ny fahatongavan’ ny Mesia.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/46/Gustave_Dor%C3%A9_%281832-1883%29_-_The_Bible_%281865%29_-_Zechariah_6-5.jpg/640px-Gustave_Dor%C3%A9_%281832-1883%29_-_The_Bible_%281865%29_-_Zechariah_6-5.jpg)
Araka ny fandinihan' ireo manam-pahaizana dia mizara roa na telo ny Bokin' i Zakaria ka ny fizaràna voalohany (toko voalohany – faha-8) dia atao hoe Prôtô-Zakaria, ny fizaràna faharoa (toko faha-9 – faha-14 na toko faha-9 – faha-11) dia atao hoe Deoterô-Zakaria, ary ny fizaràna fahatelo (toko faha-12 – faha-14) dia atao hoe Tritô-Zakaria.