Fahitana (finoana)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fahitana dia fahatsapana mivantana ny fanatrehan' Andriamanitra na ny fanatrehan' ny andriamanitra na ny fanahy hafa na ny zava-mitranga avy amin' ny tontolon' ny fanahy, ka izany fahatsapana izany dia heverin' ilay mahatsapa na izay mino izany ho tsy misy zavatra tokony hisalasalana sady mazava tsara.
Ny fahitana dia mety hitranga amin' ny alalan' ny nofy, ny fianjahana, ny fahavarianam-panahy, ary indrindra ny fisehoana mahagaga izay mampita fanambaràna avy amin' Andriamanitra na avy amin' ny andriamanitra na fanahy hafa. Matetika dia mazava kokoa noho ny nofy ny fahitana. Indraindray ny faminaniana dia miaraka amin' ny fahitana.