Kajara
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Kajara dia fianakavia-mpanjaka iraniana (persiana) manam-piavana torka, izay avy ao amin' ny foko kajara, izay nanapaka an' i Iràna tamin' ny taona 1789 hatramin' ny taona 1925. Atao hoe سلسله قاجار / Selsele-ye Qājār izy amin' ny teny persana. Nanapaka an' i Iràna manontolo ny Kajara tamin' ny taona 1794, rehefa nanongana an' i Lotf 'Ali Khan, ilay shah farany avy amin' ny dinastia Zanda, ka nanamafy ny fiandrianam-pirenen' i Iràna sy ny fahefany amin' ny ampahany lehibe amin' i Kaokazy. Tamin' ny taona 1796 dia naka tanànan' i Mashhad mora foana i Mohammad Khan Qajar, ka nanapitra ny fanjakan' ny dinastian' ny Afsarida. Tamin' izay no nametrahana an' i Mohammad Khan ho shah taorian' ny ady famaizana nataony tamin' ny Jeôrjiana fehezin' i Iràna. Tao Kaokazy dia nihavery tsikelikely ny tanin' i Iràna nofeheziny ny Kajara tamin' ny ady nifanandrenany tamin' ny Rosiana nandritra ny taonjato faha-19, ka isan' izany i Jeorjia sy i Dagestàna sy i Azerbaijana ary i Armenia.