Faritra eto Madagasikara
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny faritra eto Madagasikara dia fizaràna ny tanim-pirenena malagasy izay neritreretin' ny mpamolavola ny lalàmpanorenana sy ny lalàna fehizoro momba izany ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana lehibe noho ny kaominina sy kely noho ny faritany sady fari-piadidiana ara-pitantanan-draharaham-panjakana izay miisa telo amby roapolo (raha roa amby roapolo izany tamin' ny fiantombohany).
Ireo no lasa fizaràna voalohany ny tanim-pirenena malagasy tamin' ny fanafoanana ny maha vondrom-paritra ny faritany enina tamin' ny volana Ôktôbra 2009 ary ny namoronana ny faritra eto Madagasikara tamin' ny alalan' ny lalàna faha-2004-001. Tamin' ny fanovana ny lalàmpanorenana tamin' ny taona 2010 dia lasa fizaràna ao amin' ny faritany, izay naverina ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, indray ny faritra. Ny lalàna faha-2014-020 tamin' ny taona 2014 dia nilazalaza amin' ny antsipiriany ny amin' ny vondrom-paritra misy eto Madagasikara (ny faritany sy ny faritra ary ny kaominina). Araka ny lalàmpanorenan' i Madagasikara tamin' ny taona 2010 dia anisan' ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana sady faritra ara-pitantanan-draharaham-panjakana ao amin' ny sehatry ny fanapariaham-pahefana ny faritra satria mifehy koa ny lehiben' ny distrika sy ny lehiben' ny sampan-draharaham-panjakana ny lehiben' ny faritra.