From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny torkika dia fianakaviam-piteny ahitana fiteny miisa manodidina ny 30 mitsinjara ao amin' ny faritra malalaka izay mivelatra avy any Eorôpa Atsinanana ka hatrany andrefan' i Sina sy avy any Kiprosy (na Sipra) hatrany Siberia, ka ny fiteny tiorka sy fiteny azery ary ny fiteny ozbeka no be mpiteny indrindra amin' izany. Tombanana any amin' ny 200 000 000 any ho any ny isan' ny olona miteny azy ireo ho fiteny nibeazana, ary an-tapitrisany maro ny mampiasa azy ho fiteny faharoa. Ny fianakaviam-piteny torkika dia matetika ampifanakaikezina amin' ny fianakaviam-piteny môngôlika sy ny fianakaviam-piteny tongoza ao amin' ny fianakaviambem-piteny altaika, nefa iadian-kevitra fatratra izany famondronana izany.
Anisan' ny toetran' ny fiteny torkika ny rafi-pehezanteny LFM (Lazaina - Fameno - Matoanteny), ny rindran-janapeo, ny fanakambanana tsirinteny maro (tovona) ary ny tsy fisian' ny kilasin' anarana sy kilahivavy. Ireo toetra famaritana ireo dia matetika itoviany amin' ireo fiteny môngôlika sy ireo fiteny tongoza, ary amin' ny fiteny kôreana sy ny fiteny japôney ary ny fiteny ainô. Ireo fiteny tanisaina farany ireo dia heverin' ny mpahay teny sasany ho mpihavana amin' ny fiteny torkika ao amin' ny fianakaviam-piteny mahafaoka kokoa izay nomena ny anarana hoe fiteny altaika.
Indreto avy ny fiteny lehibe ao amin' io fianakaviam-piteny io miaraka amin' ny isan' ny olona miteny azy avy:
Misampana enina ny fianakaviam-piteny torkika, dia ny fiteny torkika atsimo-andrefana (fiteny ôgoza), ny fiteny torkika avaratra-andrefana (fiteny kiptsaka), ny fiteny torkika atsimo-atsinanana (fiteny karloka), ny fiteny torkika avaratra-atsinanana (fiteny torkika siberiana), ny fiteny ôgora, ary ny fiteny argo.
Ireto ny fiteny ao amin' ny vondrona ôgoza:
Ireto avy ny fiteny ao amin' ny vondrona kiptsaka:
Ireto avy ny fiteny ao amin' ny vondrona karloka:
Ireto avy ny fiteny ao amin' ny vondrona torkika siberiana:
Ireto avy ny fiteny ao amin' ny vondrona ôgora:
Ity ny fiteny ao amin' ny vondrona argo:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.