Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito dia fiangonana kristiana miandry ny fiavian' i Kristy sady manokana ny andro Asabotsy ho andron' ny Tompo. Sampan' ny adventisma izay nateraky ny fifohazam-panahy prôtestanta notarihin' ilay mpitoriteny atao hoe William Miller teo anelanelan' ny taona 1831 sy 1844 izy. Tamin' ny taona 1890 tao Battle Creek any Michigan no nijoroany amin' ny fomba ôfisialy teo ambany fitarihan' i Joseph Bates sy i James White ary i Ellen White.
Ny Baiboly irery ihany no manam-pahefana amin' ny lafiny fivavahana. Ireo soratra misy isa ara-paminaniana dia iezahany anaovana fivoasana. Amin' izy ireo dia ny fahasoavan' Andriamanitra ihany no ahazoana famonjena. Manatanteraka batisa amin' ny alalan' ny fanitrihana anaty rano ny Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito. Mifanasa tongotra koa izy ho fahatsiarovana ny fanasana farany nataon' i Jesosy Kristy. Amin' izy ireo dia tempolin' Andriamanitra ny vatan' ny olombelona ka tokony ho tsy atao an-tsirambina ny fikarakarana ny fahasalamany. Tsy mihinan-kena izy ireo ary tsy mifoka na misotro zava-mahadomelina ka anisan' izany ny paraky sy ny kafe. An-tsitrapo ny fanaovana fanatitra, dia ny fanaterana ny ampahafolon-karena.