Fiteny antefasy
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny antefasy dia iray amin' ireo endriky ny fiteny malagasy isam-paritra tetenina indrindra any amin' ny faritra misy ny Antefasy, ao Farafangana sy ny manodidina, eo anelanelan' i Manampatra sy Mananara Atsimo.
Izao ny isa sasany amin' io fiteny io: raiky (1), roy (2), telo (3), efatry (4), dimy (5), enina (6), fito (7), valo (8), sivy (9), folo (10), zato (100), arivo (1000).
Fampitahana ny fanonana merina sy ny fanononana antefasy:
Merina | Antefasy |
Aiza | Aia |
Any | Agny |
Eto | Etoa |
Hafaliana | Hafaliagny |
Inona | ino |
Ity | Itiky |
Iza | Ia |
Lakana | Lakagny |
Latabatra | Latabatry |
Manangana | Manangagny |
Manao | Magnano |
Manaraka | Magnaraky |
Mangatsiaka | Mangatsiaky |
Matahotra | Matahotry |
Miresaka | Miresaky |
Mitifitra | Mitifitry |
Mitomany | Mitomagny |
Mpivarotra | Mpivarotry |
Oviana | Ovia |
Raha | Laha/Raha |
Ranomasina | Ranomasy |
Ritra | Ritry |
Sotro | Sotroky |
Tery | Pitsa/Tery |
Tokoa | Tokoatry |
Trano | Tragno |
Tsena | Bazary |
Varavarana | Varavaragny |
Vilany | Vilagny |