![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/14/Europallingues.jpg/640px-Europallingues.jpg&w=640&q=50)
Fiteny ao Eorôpa
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny ao Eorôpa dia ireo fiteny ampiasain' ny vahoaka samihafa mponin' i Eorôpa amin' ny fiainany andavananadro. Ny ankamaroan' ireo fiteny ireo dia ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, manarakaraka azy ireo ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny finô-ogriana. Ahitana fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny torkika koa ao. Ao Kaokazy dia mitana ny anjara toerany lehibe ny fianakaviam-piteny abkazô-adigiana, ireo fiteny nakô-dagestaniana ary ireo fiteny kartveliana. Ao koa ireo fiteny izay ampiasan' olona vitsy dia vitsy (toy ny fiteny baska) izay fiteny manirery, fa ny fiteny maltey kosa no hany fitenim-pirenena ao Eorôpa isan' ny fiteny semitika. Maro koa ireo fiteny nampiasain' ny olona taloha tao Eorôpa izay lasa teny maty ankehitriny fa ny sasany kosa tandindomim-pahafatesana.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/14/Europallingues.jpg/640px-Europallingues.jpg)