Fiteny kôreanina
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny kôreanina dia fiteny tenenina any Kôrea ary eny amin' ny faritra moron-tsisintanin' ny Repoblika Entim-bahoakan' i Sina (Yanbian) ary amin' ny fikambanana kôreanina any ivelan-tanindrazany (Beijing, Shandong, Rosia, Aostralia, Etazonia, Frantsa, sns.). Io teny io no teny ofisialin' i Kôrea Avaratra sy Kôrea Atsimo.
Koreanina | |
Isan'ny mpiteny | 82,5 tapitrisa |
Faritany | Korea Avaratra
Korea Atsimo Sina (ao Yanbian) |
Sata | Ofisialy ao Korea Avaratra sy Atsimo |
Mbola iadian-kevitra ny fianankaviam-piteny misy ny fiteny kôreanina. Heverin' ireo mpahaitsikerafiteny fa fiteny manirery ny fiteny kôreanina, kanefa ny sasany dia mametraka azy ao amin' ny fianakaviam-piteny altaika. Nisy fitoviana vitsivitsy amin' ny fiteny japôney io fiteny io [1].
Ny fiteny koôreanina dia soratana amin' ny hangul; ampiasaina ihany koa ny hanja, amin' ny voambolana siantifika indrindra indrindra.